• Home |
  • MINISITERAN’NY FITSARANA : HAMAFISINA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY UNFPA.

MINISITERAN’NY FITSARANA : HAMAFISINA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY UNFPA.

⚖️MINISITERAN’NY FITSARANA : HAMAFISINA NY FIARAHA-MIASA AMIN’NY UNFPA. NISY NY FIHAONANA TEO AMIN’ NY MINISITRY NY FITSARANA SY NY SOLONTENAN’NY UNFPA.
Alakamisy faha 22 Febroary 2024. Tonga teto amin’ny Foiben’ny Minisiteran’ny Fitsarana eto Faravohitra Ramatoa Josiane Yaguibou, solontenan’ny UNFPA, nihaona tamin’ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana. Fitsidihana ara-pomba fanajana niarahabany ny Minisitra nohon’ny fanendrena azy hitantana ny Minisiteran’ny Fitsarana indray.
Noresahina nandritra izany ihany koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Fitsarana sy ny UNFPA indrindra ny momba ny fahasalamana ara-pananahana, ny zon’ny vehivavy sy ny tanora, ary ny lohahevitra samihafa. Nankasitrahan’ny UNFPA mantsy ny ezaka vitan’ny Minisiteran’ny Fitsarana, toy ny fanamafisana ny fiarovana ny zon’ olombelona amin’ny alalan’ireny lalàna maro nasiam-panavaozana ireo. Ao anatin’izany ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha – lahy na maha – vavy, ny lalàna vaovao mikasika ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Nifanaiky ny roa tonta fa hamafisina ny fiaraha-miasa mba tena fahitan’ny Vahoaka tombontsoa ireo ezaka vita ireo.