Fantaro

Miroborobo fatratra ankehitriny ny fampiasana ny teknilojia. Fampiasan’ny olona maro maneran-tany ny tambazotran-tserasera.

Ny hafa mampiasa izany amin’ny endrika tsy dia mahasoa toy ny fanalam-baraka, famafazana lainga, fisolokiana, fanompana, famotehana olona, fanakorontanana saim-bahoaka.

Isika kosa mampiasa izany amin’ny fitadiavana ny marina, ny rariny sy ny ara-dalana, ady amin’ny kolikoly.

Izany no nanomezana anao ny « FITSARANA VALIO NY TARAINAKO« , ahafahantsika mifanerasera, hamantaranay ny tsindry sy ny tsy rariny mahazo anao.

Mila manaraka dingana anefa isika mba tsy ireo mpananihany na mpisoloky na mpanendrikendrika no mibahana ato amin’ity fitaovana hatolotra anao ity. Marihinay sahady fa sady hampianatra anao ny lalàna izahay, no hamaha olana raha tena voaporofo fa niharan’ny tsy marina tokoa ianao.

Dia misaotra indrindra amin’ny fahatokisanao ny Minisiteran’ny Fitsarana sy ny « FITSARANA VALIO NY TARAINAKO »

 

RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.

Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.